IFM Analakely : hiavaka ny hetsika “Taom-baovao”

Notanterahina teny amin’ ny Institut Français de Ma­dagascar na IFM Analakely, ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety, ny talata 25 janoary 2023, niresahana ma­ha­kasika ny hetsika “Taom-baovao”. Hetsika hifampiarahabana nahatratra ny taona vaovao sy hifampirarina ny soa sy ny tsara ho an’ny fianakaviamben’ny IFM. Eo ihany koa ny hanaovana tatitry ny taona lasa. Mandritra ity lanonana ity ihany koa ny hanambarana ny vina sy tetikasa ary ny fiaraha-miasan’ity ivo-toerana ity, rehetra. Ny Asabotsy 28 janoary 2023 eny amin’ny IFM Analakely ihany no hanatanterahina izany lanonana izany.
Fanokafana sy fampahafantarana ny hetsika ara-kolontsaina rehetra ao amin’ ny IFM Analakely, mandritra ny taona 2023. Amin’ny endrika fampisehoana iarahana amin’i Carine Ratovonarivo, R-ALY, Rola Gamana& Tonny Toufa Loux no hanehoana izany. Tanjona ny fanatanterahana ny hoe fitambarana ao anatin’ny fahasamihafana, izany hoe, mpanakanto samy manana ny maha izy azy, mitambatra anaty seho iray. Lanonana hifalian’ny rehetra no hamaranana ny hetsika aorian’izay. “Hampia­vaka ny amin’ity taona ity ny fomba fanatanterahana azy. Ankoatry ny hoe amin’ny endrika fampisehoana no hampahafantarana ny programa sy ny vinan’ny IFM mandritra ny taona 2023. Omena endrika sahala amin’ ny “Festival de Cannes” ihany koa ny lanonana”, hoy i Tsiry Rajaobelison, tompon’andraikitra eo anivon’ny IFM.

Lin (Mpianatra asa)

Partager sur: