Nitera-doza ka nahafatesana olona iray indray ny fiakaran’ny rano vokatry ny rotsak’ orana nisesisesy tao amin’ny distrikan’i Mampikony. Nivadika tampoka teo Antanetilava ny kamiao lehibe iray avy any Tsarahasina nikasa hihazo an’i Mampikony, omaly tolakandro. Nitondra olona vitsivitsy, efa mpandeha amin’io lalam-pirenena io ity fiara ity. “Vokatry ny fiakaran’ny rano, tsy azon’ny mpamily sary an-tsaina intsony ny nisy ny lalana. Tafalatsaka tamin’ny lalan-diso, araka izany, izy. “Niezaka nitsambikina tamin’io fotoana io ilay mpamily mpanampy kinanjo maty tsy tra-drano”, hoy ny fanazavan’ny zandary ao Mampikony. Nifarimbona nanarina ny fiara ireo fokonolona manodidina. Ankoatra ity namoy ny ainy ity, tsy nisy nahiana ny ain’ireo mpandeha vitsivitsy tao anatin’ilay kamiao.
Tsiferana R.