Kitra – «Chan 2022»: nahafaty baolina 5, nidirana 1 ny Barea

Taorian’ny lanonana tsotra nanamarihana ny fiakarana amin’ny ampahefa-dalana,
amin’ny “Chan 2022” ny alatsinainy lasa teo, avy hatrany dia niverina an-kianja niko­trana ny Barea.

Tsy niandry ela fa tao­rian’ny fahazoan’ny Barea de Madagascar ny tapakila hiatrehana ny dingana ampahefa-dalana, eo amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika ho an’ireo mpilalao tsy matihanina “Chan 2022”, avy hatrany dia nanohy ny fanomanana ny ekipa, omaly talata. Azo lazaina fa nahavita dingana goavana ny Barea de Madagascar, tao anatin’izay lalao fifanin­tsanam-bondrona izay, satria nahatafiditra baolina 5 tao anatin’ny fihaonana roa vita ary tsy nidirana afa-tsy baolina tokana ihany.
Tsiahivina fa ny Mambas Mozambique ny mpifanandrina amin’ny Barea, ny asabotsy ho avy izao, eo amin’ny lalao ampahefa-dalana. Tsy nanafina i Rôrô mpanazatra malagasy fa tsy ho mora izany fihaonana izany. “Tsy azo tsinotsinoavina mihitsy ny Mozambikanina fa manana ny maha izy azy. Porofon’izany, ny vokatra azony tao amin’ny sokajy “A”, izay nanaovany ady sahala tamin’i Ethiopie ary nandreseny an’i Lybie ary ny niondrehany teo anatre­han’i Algérie, mpampiantrano. Tsy misy afa-tsy ny fanomanana ihany no hahazoana vokatra. Hiezaka handingana an-dry zareo Mambas, amin’ io lalao hatao ny asabotsy io”, hoy izy.
Karazana famohazana hozatra fotsiny ihany no nataon’ny mpilalao nandritra ny kotrana omaly. Na izany aza, nisy ny fanitsiana vitsivitsy nentin’ny mpanazatra. Anisan’ireny, ny tolotra tsy tonga volana, ny tsy fisian’ny fifantohana intsony rehefa mitarika an’isa ka toa zary manaotao foana ny mpilalao sasany.
Marihina fa hijanona ao amin’ny kianja ao Cons­tantine ihany ny Barea, amin’io dingana io. Efa tombony ho an’ny Malagasy izany, izay efa zatra ny toe-tany sy ny toetry ny kianja ao. Hanom­boka amin’ny 7 ora hariva aty Madagasikara ny lalao.

Tompondaka

Partager sur: