“Mondial handball” : Frantsa sy Alemaina hanao ampahavalon-dalana

Fantatra tamin’ny alatsinainy lasa teo, fa ny Alemà no hihaona amin’i Frantsa, amin’ny lalao ampahefa-da­lan’ny fifaninanana taranja handball “Championnat du Monde 2023”. Lalao izay na­tao ho an’ny sokajy “Sénior” lehilahy. Izany dia ho tanterahina any Pologne, anio alarobia 25 janoary.
Tsiahivina fa mitana ny laharana faharoa tao amin’ny vondrona “3” misy azy i Ale­maina, rehefa niondrika teo anatrehan’i Norvège, tamin’ny isa 26 no ho 28, ny alatsinainy lasa teo. Raha toa ka i Frantsa kosa no voalohany tao amin’ny vondrona “1”, rehefa avy nandavo an’i Espagne faha-2, tamin’ny isa 28 no ho 26, tany Gracovie.
Marihina fa ny ekipa frantsay no tena misongadina tanteraka amin’ity Fifanina­nana ity, tsy mbola resy mihitsy izy ireo nandritra ny lalao enina ny fifanintsanana isam-bondrona .
Ankoatra izay, i Espagne kosa no hifandona amin’i Norvège, mitana ny laharana voalohany ao amin’ny vondrona “3”.

Fitia (Mpianatra asa)

Partager sur: