Noho ny toetr’andro : mihena ny mpitsidika ny Musée de la photo

Iray amin’ireo toerana manana ny lanjany eo amin’ ny firaiketana ny tantaram-pirenena ny Musée de la photo, eny Anjohy. Nahitana fihenany anefa ny isan’ny mpitsidika eny an-toerana, noho ny faharatsian’ny toetr’andro. Nanomboka tany amin’ny fiandohan’ny taona 2023, nahatratra 75 isan’andro ny mitsidika ireo tahirin-tsary mirakitra tantara eny an-toerana. Vao nanomboka anefa ny rotsak’orana noho ny rivodoza, nidina ho 52 izany.
Raha tsiahivina, tanora la­tsaky ny 25 taona avokoa ny 70%-n’ny mpitsidika ny Musée de la photo, eny Anjohy. Anisan’ny mahasarika ny tanora ho eny an-toerana ny fanatanterahina fanadihadiana momba ny tantaram-pirenena. Manomboka liana amin’ny fireneny ny tanora malagasy !

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: