OMD: mampahafantatra ny asan’ny fadintseranana

Toy ny isan-taona, Man­kalaza ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny fadintseranana JID (1) isaky ny 26 janoary ny Fiombonamben’ny fadintseranana maneran-tany OMD (2). Lohahevitra noraisina ny hoe «Fanohanana ireo tanora hoavin’ny firenena : hizarana fahaizana sy hanamafisana ny fahaiza-miasa ao amin’ny fadintseranana». Mankalaza izany ny Fadin­tseranana malagasy rahampi­tso 26 janoary.
Amin’ny ankapobeny, ho­men-danja ny asan’ny vehivavy sy lehilahy manamora sy miaro ny fifanakalozana eran-tany. Manan-danja ho an’ny Fadintseranana malagasy ity taona ity, izay efa feno 200 taona tamin’ny 2020, saingy noho ny Covid-19 tsy afaka nankalaza izany, koa ity taona ity no hanaovana ny fankalazana rehetra. Marihina fa nisy voalohany teto Madagasikara ny ladoany tamin’ny taona 1820.
Hisy varavarana misokatra manerana ny Nosy amin’ny tanàn-dehibe 10 ivondronan’ny biraon’ny ladoany maromaro. Ohatra, ny ao Toama­sina miaraka amin’ny Sainte Marie, ny eto Antananarivo misy ny eny Ivato, Mamory, Antanimena. Any Antsirabe ny fankalazana eto amin’ny firenena. Ho fantarina amin’ ireo rehetra ireo, inona marina ny asan’ny fadintseranana? Ny mampiavaka azy, ny fi­voarana misy, ireo sary mana-tantara, sns.
Ao anatin’ny fankalazana ihany, ny fifanakalozan-kevitra hiarahana amin’ireo sekoly sy oniversite ny hoe “ny fadintseranana fanoitra ho an’ny fampandrosoana ny toekarena”. Atao indrindra izany ho an’ireo tanora mpianatra voakasiky ny lohahevitra noraisin’ny OMD.

Ndrina

JID (1) : Journée internationale de la douane
OMD (2) : Organisation mondiale des douanes

Partager sur: