Fanaovan-tsonia fifanarahana miisa telo no tontosa teo amin’ny orinasa QIT Madasgascar Minerals (QMM) sy ireo mpanjono avy ao Hovatraha, Andranokana, Andrakaraka, Amparihy sy avy
amin’ny kaominina Ampasy Nahampoana ary i Mandromondromotra.Tao koa ireo mpitrandraka hazo fihinamboa (usufruitiers) avy amin’ny mpiara-monina manodidina ny toeram-pitrandrahan’i Mandena. Manamarika ny fanatanterahana ireo fifampidinihana tamin’ny volana mey 2022.
Ankoatra ireo fanonerana voalaza ao anatin’ny fifanarahana, nifanaiky ihany koa ny rehetra ny hamaritana ny fomba hametrahana ireo tetikasa ara-tsosialy arakaraky ny laharam-pahamehana. Nambara fa ny orinasa QMM dia hampitombo ireo vola ampiasainy eo amin’ny tontolo iainana sy sosialy (RSE)*. Ho lasa 10 tapitrisa dolara izany ato anatin’ny telo taona manaraka, raha 1 tapitrisa dolara teo aloha. Tanjona, ny hahafahana mametraka ireo tetikasam-pampandrosoana izay ho faritana miaraka amin’ireo mpiara-monina sy mba hisitrahana izany miaraka amin’ ireo mponina eto an-toerana.
«Ny fifanarahana sy ireo andraikitra vaovao eo amin’ny sehatry ny RSE dia hahafahan’i QMM sy ireo mpiara-monina aminy hiainga avy amin’ny fototra mafimafy kokoa, anatin’ny fifampitokisana tanteraka. Ny tanjona dia ny hifampizaràna ireo tombotsoa eo amin’ny orinasa QMM sy ireo mpiara-monina», hoy hoy ny Tale jeneralin’ny QMM, David-Alexandre Tremblay. Raha ny fitambarany, miisa 3382 ireo mpitrandraka hazo fihinamboa ary 2029 ireo mpanjono nahafeno ireo fepetra notakiana misitraka ireo fanonerana noho ny asa ataon’i QMM.
Ndrina
RSE* : Responsabilité Sociétale des Entreprises