Tsy mionona amin’ny lafiny tontolo ara-bola ny banky Société générale (SG) Madagasikara. Misy koa ny tetikasa sosialy hanohanana ny fiaraha-monina. Manome lanja ny fampiroboroboana ny fanabeazana, ny hahaizan’ny daholobe ny teny frantsay, ny kolontsaina ary ny vaky boky ity banky ity. Isan’izany ny fanampiany ny Alliance française Antananarivo (AFT), hanitarana ny isan’ny efitrano, izay mbola miisa 20 ankehitriny. Entina hanamarihana ny faha-75 taona nisiany. Hisy trano lehibe haorina, ahitana efitrano miisa sivy, ka mamatsy vola azy ny SG Madagasikara.
Nilaza ny tompon’andraikitr’ity banky ity, fa «adidinay ny manohana ny tanora amin’ny fanomanana ny hoaviny, ny manampy azy ireo hampitomboany ny fahalalany hoentiny any amin’ny seha-pihariany amin’ny asany. Filamatry ny SG Madagasikara rahateo ny hoe «Ianareo no ho avy», ka ho hitan’ireo tanora manaraka ny fianarana sy ny fiofanana ao anatin’ny efitrano Société générale Madagasikara».
Tafiditra ao anatin’ny fiaraha-miombon’antoka eo amin’ny tsy miankina sy ny asa ho tombontsoan’ny besinimaro izao fifanarahan’ny roa tonta izao.
Njaka A.