Nitrangana lozam-pifamoivoizana indray omaly maraina teny amin’ny lalam-pirenena fahadimy (RN5). Tra-doza tamin’izany ny fiara Sprinter iray, taksiborosy mampitohy an’i Vavatenina sy Toamasina. Tra-doza tampoka anefa izy nony tonga teo Andranotsara, fokontany sy kaominina Ampasibe-Onibe. Tokony ho tamin’ny 09 ora sy sasany teo, nivadika tampoka ny fiara rehefa niala lavaka teo an-toerana sady nandeha mafy. Vokany, nidaraboka tamin’ny arabe ny taksiborosy ka vaky tanteraka ny fitaratra, potika ihany koa ny fiara. Maty tsy tra-drano nandritra izany ny zazakely iray vao herintaona monja. Olona miisa valo hafa ihany koa naratra mafy, isan’ireo voa tamin’izany ny renin’ilay zazakely. Minitra vitsy taorian’ny loza, tonga teny an-toerana ny zandarimaria avy ao Foul-pointe nanao tagnamaro namonjy ireo niharam-boina. Nalefa vonjimaika any amin’ ny hopitalibe Toamasina avokoa ireo niharan-doza. Atao andrimaso sy hanaovana fanadihadiana kosa ny mpamily. Marihina fa tsy nisy natahorana ny ain’ireo mpandeha 10 hafa tao anatin’ny fiara ka isan’izany ny mpamily.
Etoana, entanina hatrany ny rehetra mba hanaja ny lalan’ny fifamoivoizana mba hisorohana ny tranga toy izao. Anatin’ny fotoam-pahavaratra rahateo isika ka tsy tokony handeha mafy ny fiara. Mitondra ain’olona maro ny taksiborosy ka tokony hametra ny hafainganan-pandeha.
Henintsoa H.