Toamasina: jiolahy novonoina noho ny valifaty i Fidelis

Mitsimbadika ny raharaha, nahafaty an’i Fidelis, izay voalaza fa matin’ny jiolahy tao Valpinson, Toamasina ny 19 janoary lasa teo. Taorian’ ny fanadihadiana nataon’ny polisim-pirenena, mahakasika ilay fanafihana azy sy ny zanak’anabaviny, nantsoina hoe Rolland, dia voamarina fa jiolahy izy. “Ahina ho nikasa handroba ity havany ity izy sy ny mpiray tsikombakomba taminy saingy nivadika ireo jiolahy namany. Malaza ho tiatiakely sy mamadika ny mpandroba namany izy ka ahina ho noho io fitiavan-tenany tsy tia mizara io no nitifirana azy”, hoy ny kaomiseran’ny polisy ao an-toerana, Rakotovao Christian.
Tamin’ny fanamarinana ny karapanondron’Itklahy Fidelis, no nahalalan’ny poplisy fa mpangalatra moto, ikohizana sy nampitondra faisana an’i Toamasina izy ity. Ny taona 2022, efa tratra nangalatra sy nahitana môto halatra miisa efatra tao an-tranony. Mbola nisy antsibe iray ni­hosn-dra ihany koa. Natolotra ny fampanoavana izy ireo, tamin’izany fotoana saingy nahazo fahafahana madiodio avokoa.
Nangina ny raharaha na­nomboka teo, saingy nipoitra noho ity fanafihana nahafatesan’i Fidelis ity indray izany. Vokany, nisy ny hetsika ma­nokana nataon’ny hery vonjy taitran’ny polisy na ny Fip Toamasina ka voasambotra ny mpangalatra môto telo lahy ny 22 janoary lasa teo. “Ani­san’ ny tratra tamin’izany ny zanaka lahitokan’i Fidelis”, hoy ny kaomisera Rafaliarivo Jules, kaomandin’ny Fip.

Tsiferana R/ Sajo

Partager sur: