Voasambotry ny mpitandro filaminana, ny zoma teo, ireo tanora isan’ireo mpivarotra sady mpamboly rongony eto an-drenivohitra. Vao avy namita sazy ny roa tamin’ireo sivy mianadahy.
Tratra teny Andrefan’ Ambohijanahary, Manarintsoa izy rehetra ary miandahy miambavy mihitsy. Enina amin’ireo vehivavy avokoa, lehilahy ny telo. Manodidina ny 15 sy 16 taona ny zandriny indrindra tamin’ireo vehivavy raha toa ka 45 taona kosa ny zokiny amin’ireto mpivarotra zava-mahadomelina ireto. Tsy vaovao amin’ny polisim-pirenena ny iray amin’iretsy vehivavy voasambotra noho izy efa nananan’ny polisy antontan-taratasy. Nigadra noho ny resaka rongony izy ary vao nivoaka ny fonja ny taona 2022, ka izao tratra izao indray. Ankoatra izay, fonosana rongony 205 isa no tra-tehaka tany amin’iretsy jiolahy iretsy izay mpamatsy an’ ireo faritra voalaza etsy ambony. Nahitana rongony roa fototra ihany koa ny trano fonenan’ny iray. Fantatra tamin’ny famotorana fa 23 taona ny zandriny indrindra tamin’ireo lehilahy raha 34 taona ny zokiny indrindra. Samy tratra teo am-pifohana rongony avokoa izy rehetra teny Anosibe sy Andrefan’ Ambohijanahary. Voalaza tamin’izay koa fa efa nigadra ny iray tamin’ireo lehilahy voatonona etsy ambony. Nivoaka ny fonja ny taona 2020 izy ka izao namerin-keloka izao indray. Taorian’ny fampanoavana, ny alatsinainy teo, nidoboka am-ponja vonjimaika ny vehivavy miisa telo sy ny lehilahy iray.
Henintsoa Hani