Tsy ahina hiverina an-tanety: mbola mitondra orana betsaka i Cheneso

Nitombo hery ka lasa rivodoza indray i Cheneso. Omaly maraina, tany amin’ny 190 km andrefana somary avaratra andrefan’i Morondava no nisy ny foibeny.

65 km isan’ora ny rivotra miaraka aminy, arahina ta­fiotra manodidina ny 90 km isan’ora manakaiky ny foibeny. Nikisaka nianavaratra andrefana i Cheneso ka nahafaka 6 km isan’ora. Tsy ahina ny hiverenany an-tanety fa kosa hi­voatra any amin’ny maherin’ ny 100 km miala ny morontsiraka izy ato anatin’ny dimy an­dro manaraka. Noho izany, me­ty ho voakasiky ny tafiotra ma­no­didina ny 50 hatramin’ny 70 km isan’ora ireo distrika amin’ ny morontsirak’i Menabe sy A­tsi­mo Andrefana. Entanina ire­to distrika ireto hampihatra ny fe­petra mikasika ny filazana fa­nairana miloko maitso: Be­lon’i Tsiribihina, Moron­da­va, Ma­nja, Morombe ary Toliara I-II.
Mety hanantombo ny ro­tsak’orana (40 ka hatramin’ny 80 mm ao anatin’ny 24 ora) ha­tramin’ny rahampitso any Me­la­ky, Menabe, Atsimo Andre­fa­na, Boeny, Sofia, Fitovinany ary Atsimo Atsinanana. Ahina hanampy trotraka ny takaitra efa nateraky ny rotsak’orana na­ndritra ny andro maro lasa izany. Mitoetra hatrany, araka izany, ny fampitandremana amin’ny fahabetsahan’ny rotsak’orana.
Entanina ny mpampiasa ra­nomasina amin’ny morontsiraka avaratra andrefana, andrefana, atsimo andrefana, atsimo ary eo anelanelan’i Mahanoro sy Taolagnaro tsy hiandriaka satria mbola hikorontana ny toetry ny andro.
Omaly maraina, niakatra ho 4.20 m ny haavon’ny reniranon’i Betsiboka (tetezana RN4). Nihena ho 0,60 m kosa ny haavon’ny rano eo amin’ny reniranon’i Kamoro (tetezana RN4). Noho izany, mbola voatazona hatrany ny filazana miloko mena na filazana loza mi­hatra amin’ny fiakaran’ny rano amin’ireto toerana izay ma­namorona ny reniranon’i Be­tsiboka ireto: Ambatoboeny, Ma­rovoay, Madirovalo ary Marolaona.

Haverina vonjimaika ny lalam-pirenena
Momba ny fahasimban’ny lalam-pirenena. “Tapaka fa ha­verina vonjy maika ho azo hifamezivezena aloha ny lalam-pirenena ahafahana mitondra ny fanampiana ho an’ny trabo­i­na sy fifamoivoizan’ny entana sy ny olona”, hoy ny tale jeneralin’ny BNGRC, ny jeneraly Andriakaja Elack Olivier, om­a­ly, teny Andrainarivo. Nisy ny fi­voriana niarahan’ny minisitera rehetra voakasika sy ny mpiray ombon’antoka amin’ny fa­n­jakana. Nofaritana ny asan’ny tsirairay sy ny toerana hiasany ao anatin’ny fiatrehana ny voina.

Vonjy A.

Partager sur: