Mbola manjombona ny andro, maizina ny lanitra. Mihamiakatra ny renirano. Ho an’Antananarivo, tsy hifampitsinjova-mandeha ny lalana amin’ny hatevin’ny rotsak’orana. Manahirana ny fivezivezena amin’ny sakeli-tanàna maro noho ny ranobe, manarona ireo lavaka eto ampovoan-tanàna. Betsaka ny fiara mihitsoka na maty am-pandehanana. Voafandrika anaty ranom-potaka na dibo-drano hatrany anaty maotera. Mikaikaika ny ankamaroan’ny tompon’ny fiara satria tsy an-jaza ny fanamboarana ny simba sy ny vidin’ny kojakoja.
Iza ary no homen-tsiny ? Mailaka ery ny olona miampanga ny mpitantana, indrindra ny eo anivon’ny kaominina. Niarahan’ny rehetra mahalala anefa, lesoka nifandovana ny zava-misy. Lalana vao namboarina, nahazoana famatsiam-bola goavambe tamin’ny fitondrana tany aloha rehetra tany. Tsy ampy firy taona akory, mivadika lavaka migodana. Fahavoazana efa novolena hatrany am-panamboarana ny lalana izany. Tandrametaka sy zara fa vita, tsy manaraka akory ny fenitra amin’ny laro tokony ho izy ny tara nampiasaina. Ny hatevin’ny lalana rahateo, nanamparana ny fahihirana tamin’ny fandaniana angamba. Vao mandalo taom-pahavatra iray na roa dia efa potika ny lalana.
Manginy fotsiny, tsy maintsy asiana tsindrim-peo koa ny resaka fikojakojana ny lalana eto amintsika. Misy ny tahiry manokana ho amin’izany. Indrokely, tsy mazava ny fitantanana sy ny fizarana ny tolo-bidy. Tena mipaka any amin’ny toerana tokony hahazo izany ve ny vola? Tena misy ve ny tsenam-barotra sy ny asa mifanaraka amin’izany ? Raha ny zava-misy ankehitriny manko, toa ampangain’ny fahasimbana ny tompon’andraikitra. Tsy misy afaka ny hialokaloka amin’ny olana teknika, na hifanilika andraikitra. Matoa tapatapaka sy simba ny ankamaroan’ny lalam-pirenena vao nijohy tanaty tapa-bolana monja ny orana, dia ao raha !
Anisan’ny nomena fahefana manokana, niangarana amin’ny famoaham-bola ny minisiteran’ny Asa vaventy, hamahana ny olana ankehitriny. Inona anefa ny dikany raha fotoam-pahavaratra tahaka izao vao hilomay hanarina sy hikojakoja. Sanatrian-dresaka alasafay sy fomba hafahafa hamoahana ny volam-panjakana fotsiny. Tsy misy varany ilay fanapahan-kevitra !
Mila mandini-tena ihany ilay mpitondra fanjakana na eo aza ny voina voajanahary. Tafahoatra ny kajikajy ataon’ny sasany. Hany ka ny vahoaka madinika hatrany no mizaka ny tsy eran’ny aina.
r.r