Vovonana miara-dia any Frantsa : “Tsy vita indray andro ny fampandrosoana”

Notontosaina ny asabotsy teo tany Frantsa tahaka ny mahazatra ny fandaharana “Tafa miara-dia”. Nikarakara izany ny Vovonana miara-dia, “Miara-dia amin’ny filoha Rajoelina Andry ny Diaspora”.

Anisan’ny nitondran’izy ireo fanehoan-kevitra ny momba ny toe-draharaham-pirenena, amin’izao fotoana izao. Niaiky ny mpanolotsain’ny Vovonana miara-dia, ny Dr Rakotoniaina Zo tamin’izany fa tena mbola ao anaty fahasahiranana lalina ny firenena sy ny vahoaka na eo aza ireo ezaka amin’ny lafiny maro ataon’ny fitondram-panjakana. Efa betsaka ny vita nefa mbola maro ihany koa ny asa miandry amin’ny fampandrosoana, araka ny nambarany. “Tsy vita indray andro na fotoana fohy na taona iray sy roa ny fampandrosoana”, hoy izy ireo.

Miteraka fahantrana ny krizy politika

Notsiahiviny avy eo ny tantara sy ny tohiny taty aoriana ary koa ny hisorohana izany. “Anisa’ny antony nandentika lalina ny firenena ao anatin’izao fahantrana izao ny krizy ara-politika niverimberina teto amin’ny firenena. Tsy tokony hanaiky izany endrika fanakorontanana sy fambolena krizy vaovao izany intsony ny vahoaka”, hoy izy. Nanteriny fa vao mainka hampitombo ny fasahiranana lalina eo amin’ny tokantrano tsirairay indray izany korontana sy krizy izany.
Minisitera hisahana ny Diaspora

Anisan’ny namelabelatra sy nanazava ny fomba fijeriny ny raharaham-pirenena koa ny filohan’ity vovonana ity, Rasamimanana Hilarion. Notsindriny ny hanohizan’ny filoha Rajoelina Andry ny ezaka efa natombony ho amin’ny fampandrosoana ny firenena.
Tsiahivina fa anisan’ny angatahan’izy ireo ny hanaovana “minisitera” manokana, hiahy sy hisahana ireo Dias­pora. Eo koa ny tokony hahafahan’ireo zanaka am-pielezana any ivelany misitraka ny zo hifidy amin’izao fifidianana izao.

Synèse R.

Partager sur: