Ambohidratrimo sy Avaradrano ary Atsimondrano… tsy mianatra ny mpianatra rehetra anio sy rahampitso

Vokatry ny rotsak’orana misesy izay miteraka fiakaran’ny rano, tsy mianatra ny mpianatra rehetra eto amin’ny Cisco Antananarivo Renivohitra sy Ambohidratrimo.  Amin’ny 30 janoary indray vao miverina ny fampianarana.

Namoaka filazana ny Cisco Antananarivo Renivohitra sy Ambohidratrimo ary Avaradrano amin’ny fanapahan-kevitra mahakasika ny fampiatoana ny fampianarana anio sy rahampitso. Amin’ny alatsinainy 30 janoary indray ny mpianatra rehetra vao miverina an-tsekoly.

Voakasiky ny fanambarana avokoa na ny sekoly miankina amin’ny fanjakana na ny miahy tena. Tompon’andraikitra feno amin’ny  loza rehetra mety hitranga mahazo ny mpianatra noho izany, ireo sekoly mbola minia mandika izany, raha ny filazana hatrany.

Hiato avokoa ny fampianarana ho an’ny mpianatra rehetra amin’ny ambaratonga rehetra,  garabola, ambaratonga fototra, kolejy na CEG ary ny Lycée.

Mbola hikija ao anatin’ny andro maromaro misesy ny orana, araka ny filazan’ny mpamantatra ny toetry ny andro. Tafiditra ao anatin’ny faritra nahazo ny filazana miloko mavo amin’ny fampitandremana Analamanga ka izany no anton’ny fandrasaina ny fanapahan-kevitra.

Any amin’ny faritra sasany, mbola tsy afa-mianatra ny mpianatra noho ny fotodrafitrasa potika sy dibo-drano. Eo koa ny rotsak’orana izay mbola mitohy. Ny mpianatra sasany lasa mitoka-monina noho ny fiakaran’ny rano.

Tetsy andaniny, nitondra fanazavana ny tompon’andraikitra ao amin’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena fa misy ny naoty laharana 98/2022 tamin’ny 18 fevrier 2022 mametra ny anjara andraikitra tokony hipetraka eny amin’ny Cisco sy Dren amin’ny fitantanana ny loza mitranga.

Naverina io naoty io tamin’ny 17 janoary 2023 teo ho fampandraisana andraikitra ny tsirairay. Mitsinjo ny ain’ny ankizy ny minisitera ary manome fahafahana ny rantsa-mangaika eny an-toerana amin’ ny fepetra tokony horaisina. Ireo tompon’andraikitra eny an-toerana no mahita ny mety hampidi-doza ny zaza ka mandray fanapahan-kevitra ny fampitsaharana na famerana ny fampianarana.

Tsy maintsy mandalo fankatoavana avy any amin’ny minisitera anefa izany. Manankery ny fampilazana omen’ny Meteo ary manaraka ny filazana ataon’ny Meteo no handraisana ny fanapahan-kevitra. Mila manaraka ny vaovao marina sy mitombina.

Tatiana A

Partager sur: