Tontosa ny alarobia 25 janoary 2023, tao amin’ny Direction Régionale de la Communication et de la Culture na DRCC Amoron’i Mania, ny atrikasa momba ny gitara, niarahana tamin’i Arnito, mpitendry gitara matihanina, avy any Frantsa. Niavaka kely ny tao Ambositra raha oharina amin’ny natao teto Antananarivo sy tao Antsirabe. Nisy ny fifanakalozana teo amin’ny roa tonta ary samy afa-po ny rehetra teny ampiafaran’ny atrikasa.
Nahazo ny anjarany ihany koa ny vahoakan’Amoron’i Mania, indrindra ny mpankafy ny fitendrena gitara. Tafiditra tao anatin’ny toerana nandalovan’i Arnito mantsy ny tao amin’ny faritra. Fampianarana sy fampiofanana ary fifanakalozana no nameno ny fiarahana ny andron’ny alarobia 25 janoary 2023 ho an’ny tao Ambositra. Nizara roa ny atrikasa. Ny tapany voalohany natokana ho an’ny manana fahaizana antonony. Ny tapany faharoa kosa natao ho an’ny manana fahaizana efa ambony. Marihina fa isan’ny fepetra ahafahana miatrika ny atrikasa izany. Ny “Jazz” sy ny “Flamenco” ary ny mozika klasika. Ny fitendrena ireo no nozaraina sy nampianarin’i Arnito ny mpandray anjara. Tanjona ao anatin’izao ny fizarana sy fifampizarana eo amin’ny samy kolontsaina, indrindra ny eo amin’ny tontolon’ny gitara, araka ny nambaran’ny tompon’andraikitra. Setrin’izay kosa, nisy ny fizarana ny mozika avy any amin’iny faritra iny, nasehon’ny mpandray anjara ho an’i Arnito. Samy afa-po ny rehetra teny amin’ny fiafaran’ny atrik’asa. Nangataka moa ny mpandray anjara ny mba hisian’ny hetsika tahaka izao matetika. Eo ihany koa ny ho an’ny zava-maneno sasany.
Hitohy mianatsimo ny dian’i Arnito. Atrikasa mahakasika ny gitara hatrany no zarainy mandritra ny fandalovany. Ny ao amin’ny faritra Matsiatra Ambony indray no hanaovany izany atrikasa izany, ny asabotsy 28 janoary 2023, ao amin’ny Maison de la Communication et de la Culture Ambatomena. Any Toliara kosa ny 11 febroary 2023.
Lin (Mpianatra asa)