Narahina ny lamina rehetra amin’ny famoahana boky… Nivoaka ny « Ohabolana. Kolo saina ho an’ny ankizy 2 », nosoratan’Andrianimerina Hobiana. Boky 40 pejy ahitana ohabolana 18 isa, natao ho fitaovam-pibeazana sahaza ny ankizy 10 taona ka hatramin’ny 13 taona. Ampiasain’ny mpanoratra hampitana ny hafatra fonosin’ny ohabolana tsirairay ny nametrahany ireto fizarana miisa enina ireto : fomba hafa azo itenenana io ohabolana io, hevi-teny sy raki-pahalalana, famahavahana, hevitra raketin’ny ohabolana, mitadidy ohabolana aho, inona ary no fomba fiaina sy fahazarana tokony hananako ?
Nambaran’ny mpanoratra fa : « sady hanoro azy ireo ny soatoavina raketin’ny ohabolana malagasy ny famakiana azy ity no hanampy ny ankizy hanefy toetra sy hiaina ny kolontsaina malagasy. Ohabolana 18 nokendrena hifanitsy amin’ny lohahevitra kirakiraina ao anaty fandaharam-pibeazana no voaboasana ato ka mifameno tsara amin’izay ianarany any am-pianarana ».
Nomarihin’ny tompon’andraikitra avy ao amin’ny Editions jeunes Malgache namoaka ity boky ity fa : « miaka-bidy hatrany ny fitaovana sy kojakoja ampiasaina hamitana boky. Tranga hita maneran-tany izy io, vokatry ny tsy fahampiana sy fiakaran’ny saram-pitaterana isan-karazany. Tsy niakatra nanaraka izany anefa ny saran’ity boky ity satria tsy tokony ho any amin’ny mpamaky no ianjeran’ny sazy ».
HaRy Razafindrakoto