Manaraka akaiky ny toe-draharaham-pirenena eto amintsika ny sehatra iraisam-pirenena. Anisan’izany ny depiote frantsay, i Bruno Fuchs. Nanontany sy nangataka ny andraikitra raisin’ny governemanta frantsay, amin’ny minisitry ny Raharaham-bahiny sady misahana an’i Eoropa ny tenany. Anisan’izany ny mety ho paikady hapetrak’i Frantsa ahafahana manao fifidianana madio sy mangarahara ary eken’ny rehetra eto Madagasikara ka hahomby ireo dingana demokratika momba izany. “Mitombo ny ahiahy ny amin’ny mety hisehoan’ny korontana politika manoloana ny fiomanana amin’ny fifidianana filoham-pirenena amin’ity taona ity”, hoy izy. Niahiahy ity olom-boafidy frantsay ity fa mety hihemotra ny datim-pifidianana, noho ny fisamborana nahazo laka tato ho ato sy ny fanelezana vaovao tsy marina, manohintohina ny fahalalahana maneho hevitra. Nohitsiny fa ny fifidianana malalaka sy manaraka ny fitsipika iraisam-pirenena no ahafahana mametraka hoavy politika milamina sy tony.
Mazava ny nambaran’ny ambasadaoro…
Notsiahiviny avy eo ny fifandraisana ara-tantara eo amin’ny firenena roa tonta. Anisan’izany ny maha mpiara-miombona antoka voalohany an’i Madagasikara amin’i Frantsa, eo amin’ny lafiny ara-barotra. Nanteriny fa manana andraikitra hiaro ny demokrasia eto amintsika i Frantsa, amin’ny fametrahana fitoniana, lavitry ny korontana. Miankina amin’ny fifidianana mirindra sy milamina ary demokratika koa anefa no ahafahana miaro ireo teratany frantsay sy ny fihariany eto Madagasikara, araka ny nambarany.
Na izany aza, efa nilaza ny ambasadaoro frantsay, Arnaud Guillois tamin’ity herinandro ity fa vonona hanohana antsika, araka ny fangatahan’ny fanjakana malagasy, i Fransa, hiatrehana ny fifidianana. Iarahany amin’ireo mpiara-miombona antoka iraisam-pirenena izany.
Synèse R.