Filoha Rajoelina any Dakar… Nandroso vahaolana momba ny fambolena 

 Tanterahina any Dakar Sénégal, nanomboka omaly, ny fihaonana an-tampony, momba ny fambolena sy ny fanodinana voka-pambolena. Atrehin’ireo filoham-panjakana  sy lehiben’ny governemanta  afrikanina izany ary iarahana amin’ny  Vondrona Afrikanina (UA) sy ny Banky Afrikanina ho an’ny fampandrosoana (Bad).

Anisan’ireo voaasa manokana  amin’izany fivoriana izany, amin’ny maha tompon dakan’ny fanjarian-tsakafo azy aty Afrika, ny filoha Rajoelina Andry.

Nsongadiny tamin’izany fa miatrika ady goavana i Afrika manoloana ny hanohanana sy ny tsy fanjarian-tsakafo. Nanteriny fa tsy ny fitaovam-piadiana tahaka ny basy aman-tafondro sy ny baomba no tena mandripaka sy mamono. Anisan’ny mamono koa ny hanohanana.

Anisan’ny fanoitra sy fitaovam-piadiana mahomby amin’izany ny tany sy ny tanora marobe, ananantsika. ” Faniriako ny ahafahan’ny fianakaviana sy tokantrano tsirairay mamahana ny ankohonany isanandro raha ho an’i Afrikana manokana, manana velaran-tany mihoatra ny 30 tapitrisa km2  “, hoy izy. Vahaolana narosony ny fampiakarana ny tahan’ny vokam-pamokarana sy ny fanomezana masomboly. Eo koa ny tany azo hajariana ho an’ny tantsaha. Miteraka fiakaran’ny fahefa-mividy ho azy ireo ny fahavitan’izany. ” Ny filoha mahay mamahana ny vahoakany no mpitondra mahay indrndra sy tsara. Miandrandra izany isika tompon’andraikitra mpitarika eto“, hoy izy.

Synèse R.

 Naneho ny fiaraha-miory manoloana ny takaitra navelan’ny rivodoza farany teo ny filoha Rajoelina Andry. Nambarany fa mizaka ny mafy ny firenena sy ireo mpiara-belona amintsika noho ny rivodoza Cheneso sy ny rotsak’orana, nentiny ary mbola mitohy hatrany. Analiny ireo tra-boina manerana ny Nosy noho ny fiakaran’ny rano. “Indrisy fa nisy ny aina nafoy. Miombona alahelo amin’ireo havantsika tra-pahoriana ireo ny tenako. Mampahery antsika rehetra koa ary miantso ho amin’ny firaisankina sy ny fifampitsinjovana manoloana ny sarotra“, hoy izy. Nanteriny fa eo anilan’ny vahoaka hatrany ary miasa andro aman’alina ireo tomponandraikitra isan-tokony ary hitondra sy handrindra ny fanampiana ho an’ireo traboina.

Partager sur: