Iza izy ? Rakotomalala Miarintsoa Andriantsitonta Emmanuel Marie na fantatra amin’ny solon’anarana Ramim’s. Depiote voafidy tao Ambatolampy ary 35 taona. Manambady sy zanaka telo mianadahy. Sakafo tiany ny legioma sy ny voankazo. Mankafy ny basikety sy ny kitra ary ny “Tennis de table“. Anisan’ny mpihira ankafiziny ny tarika Mahaleo sy ry Ricky. Nahavita ny fianarana ambony momba ny varotra iraisam-pirenena ary mpiasam-panjakana teo anivon’ny minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena izy. Efa “Consultant” eo anivon’ny Banky iraisam-pirenena koa. Efa voafidy ho “Président des Réseaux des jeunes parlementaires” teo anivon’ny Antenimiera ary mpikambana ao amin’ny “Conseil du forum des jeunes parlementaires de l’union interparlementaire – UIP“. Matetika mitarika fivoriana eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena any ivelany.
Misedra olana ny distrikan’Ambatolampy
Nanamarika ny fiainany ny nahavoafidy an-dRamim’s ho depiote. “Tsy mba noeritreretiko izany. Nametraka tanjona mba ho lasa pretra aho saingy ekena am-pitiavana fa ho olom-boafidy izany ny antso sy iraka ataoko“, hoy izy.
Nanangana ny “Asa soa Ramim’s” ny taona 2016, nitondra ny teny manentana : “Ato amiko ny fanahy“… Natao hanampy ny rehetra, indrindra fa ny tanora izany.
Notanisainy fa anisan’ny olan’ny distrikan’Ambatolampy ny haratsian’ny lalana mampifandray kaominina sy ny tanàna any an-toerana. “Ny tsy fahampian’ny asa koa eo amin’ny mpiara-belona ka miteraka fahasahiranana. Miezaka manao ny vita ihany anefa ary manampy sy mitondra vahaolana… Tsy misy manana ny ampy…“, hoy izy. Mampita amin’ireo tompon’andraikitra ny olana sedrain’ny distrika misy azy koa anefa ny tenany.
Mandalo ny seza sy ny toerana
Nambarany koa fa sarobidy ary tena ilaina ny fanatsarana ny fanabeazana sy ny fijerena ireo mpanabe … Manana fomba fiasa sy toe-tsaina mampihavana Ramim’s ary mitandro izany hatrany eo amin’ny fiarahamonina… Mijoro sy mijery hatrany ny laharam-pahamehan’ny vahoaka sy ny mahasoa azy. “Mahay mihaino ary manao maodely eo amin’ny fiarahamonina … Mipetraka ho raiamandreny amin’ny sehatra rehetra …”, hoy izy.
Ankoatra izany, nambarany fa tsy mbola resy lahatra amin’ny fanaovana politika ny tanora noho ny fanahiana sy ny sakana samihafa. Nanteriny anefa fa tokony ho asa fanompoana sy fanehoana fitiavan-tanindrazana ny politika. “Mila mahatsapa koa fa mandalo ny toerana. Ny asa kosa mitoetra”, hoy izy teo am-pamaranana.
Nangonin’i Synèse R.