Tsy ataotao fahatany ny mamboly hazo. Maro ny fepetra arahina raha te hahomby ny fambolena azy, izay miankina betsaka amin’ny tontolo manodidina. Araka ny toromarika avy amin’ny WWF, mila homanina mialoha, kojakojaina sy arahi-maso ny toerana nambolena. Mifameno ny fambolen-kazo sy ny voly manodidina. Mila mandray anjara ny mponina eo an-toerana, mba ho lasa tomponandraikitra.
Mila vahana koa ny olan’ny fananan-tany, satria tsy tokony ho very momoka ny fambolen-kazo natao, raha mitranga izany. Ilaina koa ny fanofanan’ny teknisiana ny mpamboly hazo, mba hifehezany ny fomba fanao. Tokony hifandrindra ny asan’ny mpisehatra rehetra, ny fanjakana, ny mpitondra eo an-toerana, ny fikambanana sy ny ONG, ny sehatra tsy miankina, ny fiarahamonim-pirenena, sns. Asiana ny fifampizarana traikefa, ny fanamafisana ny fahaiza-manao, ny famahana iombonana ny sakana na ny olana. Atao tsy tapaka ny tombana sy ny jery todiky ny zava-bita.
Tsiahivina fa hanomboka amin’ny fomba ofisialy amin’ny 28 janoary izao, any Ilaka Est Vatomandry ny fambolen- kazo ofisialy.
Njaka A.