Naiditra am-ponja vonjimaika, omaly, rehefa avy niatrika mpitsara mpanao famotorana ny lehilahy iray voatondro ho nanolana ankizivavikely. Tao Amboasary Atsimo no nitrangan’izy ity. Andro vitsy mialohan’io, tonga teny amin’ny biraon’ny polisy ny havan’ilay zaza 11 taona. Nitaraina fa naolana lehilahy 53 taona ny zanany ary mpiara-monina aminy ihany ilay voalaza ho nahavanon-doza. Tsy ao an-trano matetika ny renin’ity ankizivavikely ity. Mamboly any an-tsaha izy ka manararaotra manampatra ny filan-dratsiny amin’izany io rangahy io, hoy ny polisim-pirenena. Nohamafisiny tamin’izany fa efa matetika manao izany mihitsy ralehilahy. Vokany, voasambotra ny alatsinainy teo tao Tanambao Atsimo, kaominina Maroalopoty, distrikan’Ambovombe izy ka nanaovana famotorana.
Henintsoa H.