Araka ny fiaraha-miasa eo anivon’ny zandarimariam-pirenena sy ny polisim-pirenena, noraisin’ny eo anivon’ny polisy an-tanana ny fanohizana ny fanadihadiana mahakasika ny fisamborana ilay jeneraly polisy voasambotra tetsy By-pass, ny alatsinainy teo. Tsiahivina, voasambotry ny zandarimaria, tra-tehaka niaraka tamin’ny fitaovam-pidorohana zava-mahadomelona mahery vaika izy. Niroso tamin’ny fitananana azy vonjimaika, taorian’izay. Natolotr’izy ireo, hotohizan’ny eo anivon’ny polisy ny raharaha. “Efa eny anivon’ny polisy ny fanohizana ny fanadihadiana”, hoy ny loharanom-baovao.
Tetsy ankilany, Nisy ny fikaroham-baovao natao tamin’ny polisim-pirenena. Tsy mbola misy vaovao azo ambara mahakasika ny raharaha araka ny fanamafisan’ny seraseran’ny polisim-pirenena. Hanamafisana ny fanohizana ny fanadihadiana lalina mahakasika ny raharaha izany.
Ankoatra ireo anefa, voalazan’ny loharanom-baovao hafa fa hiakatra fampanoavana anio ilay jeneraly polisy sy ny olona voasambotra niaraka taminy.
Andrasana, araka izany, ny vaovao farany, aorian’ny fanadihadian’ny mpitandro filaminana sy ny fitsarana.
Tsiferana R.