Efa hatramin’ny taona 1964, nisian’ny Institut Français de Madagascar na IFM Analakely. Mbola Centre Culturel Albert Camus na CCAC no anarany tamin’izany fa noho ny fanavaozana ny rafi-pitantanana ny taona 2012 no niovan’ny anarana. “Misokatra ho an’ny rehetra ny fiaraha-miasa, rehefa miray vina amin’ny fanandratana ny kolontsaina. Na ho an’ny mpanakanto malagasy izany na ho an’ny vahiny“, hoy i François Maugrenier, tale mpitantana ao amin’ny IFM. Afaka mandray ireo karazana hetsika ara-kolontsaina isaky ny karazany avy ity ivontoerana ity. Misy ny efitrano afaka anaovana fampirantiana, ao ny afaka anaovana fampisehoana. Fotodrafitrasa efa nampanarahana ny fenitra. Ho an’ny taona 2022 manokana, maro ny hetsika ara-kolontsaina goavana noraisin’ity ivontoerana ity. Isan’izany ny Madagaslam, Madajazzcar, ary ny Madagascourt Film Festival.
Lin (Mpianatra asa)