Jirama… May ny taribin-jiro etsy Ambodivona

Nitaraina ny mpanjifa eto an-dRenivohitra, omaly, amin’ny fahatapahan-jiro. Araka ny vaovao avy any amin’ny Jirama, may ny taribin-jiro any ambanin’ny tany, tao amin’ny toby mpitsinjara herinaratra etsy Ambodivona, vokatry ny ora-mikija. Voatery nanapaka ny jiro mandritra ny adiny iray ny Jirama, nanarenana ny simba, omaly. Nasesy tamin’ny famatsiana miisa dimy, ny sampana laharana 5 (Ankadifotsy, Mandialaza, Behoririka, Soarano, Tsiazotafo, Petite Vitesse, Tsaralalana), ny 9 (Ambodivona, Andravoahangy, Mascar, Mahavoky), ny 11 (Antanimena, Ambohibary, Vassacos,  Ankazomanga, Andraharo, Ambodivonikely, Anosivavaka), ny 25 (Avaradoha, Ambodimanga, Mangasoavina, Météo, Ampandrianomby, Tsarahonenana, Mahatazana, Ampasampito)  ary ny 26 (Ambodivona, Andranomahery, Tsaramasay, Ankorondrano, Ivandry, Alarobia, Morarano).

Njaka A.

Partager sur: