Nandrato fahalalana sy fahaiza-manao nandritra ny sivy volana ireo mpiofana miaramila. nahavita izany tany Imerintsiatosika izy 122 lahy. Ankehitriny, vonona handray ny andraikiny avy ny tsirairay.
Tafika an-tanety handeha tongotra sy hiady anaty akata. Ireo no adidy miandry an’ireo mpiofana miaramila 122 nivoaka tetsy Betongolo, omaly. Andro namaranana tamin’ny fomba ofisialy ny fiofanana narahin’ireo miaramila ireo nandritra ny sivy volana tao Imerintsiatosika. Araka izany, nahazo diplaoma “brevet militaire professionnel élémentaire” avokoa iretsy hanatevina ny tafika an-tanety iretsy. « Fiofanana fototra no omena ny miaramila iray vao tafiditra miaramila raikitra izy. Nizara roa ihany koa ny fiofanana natao nandritra izay sivy volana izay. Nisy ny “phase tronc commun” niarahan’ny besinimaro. Ao koa ny “phase de specialization” amin’ny maha infanterie miaramila azy”, hoy ny kolonely Rakotoarisoa Herinjanahary, kaomandin’ny borigady infanterie eto Antananarivo. Tombony azo tamin’ity fiofanana ity ny fisondrotan’ny laharam-boninahitra ho kaporaly. Ankoatra izay, ny fanamafisana amin’ny fahaiza-manao. Aorian’io, afaka miatrika fifaninanana hahazoana laharam-boninahitra isan-karazany ireo miaramila vao nivoaka ireo.
Tao anatin’ny sivy volana, niofana ny fahaiza-manao sy teknika maha-miaramila isan-karazany iretsy mpiofana 122. Nisy ny fanadinana natao ka miisa enina ireo nahazo “Mention bien”, 99 isa kosa ireo nahazo “Mention assez bien” ary 17 isa ireo nahazo “Mention passable”.
Henintsoa Hani