Nilaza ho nirahin’ny hanoanany, lehilahy iray mpanjaitra kiraro nangala-bilany ka voasambotry ny zandary tao Ambohimangakely, ny alatsinainy 23 janoary teo. Avy amin’ny fokontany iray tsy lavitra, nalain’io lehilahy io ny vilany lehibe niaraka tamin’ny fotsim-bary tao amina tokantrano anatin’ny fokontany Ambohimpiainana. Tsy vitan’io, mbola nangalarin’ity lehilahy nanao hala-boty ity koa ny siny fantsakana. Nokasaina hatokona avy hatrany ny vary nangalariny. Nataon’ny zandary fanadihadiana izy ka niaiky ny heloka vitany. Nambarany fa mpanao kiraro ny asany ary nangalatra noho ny tsy fisiana izy. Niakatra fampanoavana omaly ny raharaha.
Tsiferana R.