ONG HWL sy ny Institut IGSA… Hanome vatsim-pianarana ho an’ny mpianatra sahirana 

Miara-miasa ny ONG maorisianina Human welfare league (HWL) sy ny Institut culturel et social Al-ghazali (IGSA) eto amintsika hanome vatsim-pianarana ny mpianatra malagasy. Ireo mendrika sy misongadina nefa tsy manana fahafahana hanohy fianarana ambony intsony no iantefan’izany. Natokana ho an’ny mpianatra manana ny mari-pahaizana bakalorea ka nahazo ny salanisa 15/20 no ho miakatra ny tolotra. Mpianatra malagasy 10 avy amin’ny sekoly miankina na tsia no hisitraka ny vatsim-pianarana ary hanohy fianarana any amin’ny oniversite any Malezia, hoy ny tomponandraikitry ny HWL aty amin’ny ranomasina indianina, Anwar Cara, omaly teny Antaninandro. Hanomboka ny 10 febroary ka hatramin’ny 10 marsa ny fandefasana ny antontan-taratasy ho an’ireo rehetra liana amin’izany ary afaka mitsidika ny tranonkalan’ny fikambanana IGSA. Mbola misy sokajy telo hafa ny vatsim-pianarana ho an’ny olona efa manana Master (miisa telo), Doctorat ary “Professeur”. Hanao fikarohana manokana no iantsoana ireo sokajy ireo ary tokony hifototra kokoa amin’ny fampidirana ny fanahy sy ny finoana ny lohahevitra hosafidiany amin’izany satria tsy mifanohitra ny fahalalana sy ny finoana, araka ny fanazavana ihany. Ankoatra izay, lohahevitra hitondra fampandrosoana ho an’i Madagasikara no takina amin’ireo mpangataka vatsim-pianarana ary manao fifanarahana fa hiverina eto an-toerana izy ireo hiasa rehefa vita ny fianarany.

Nanomboka ny taona 2018, mpianatra malagasy 87 manana ny mari-pahaziana bakalorea no lasa mandranto fianarana any Kanada, Maraoka… noho ny vatsim-pianarana natolotry ny ONG roa, hoy ny talen’ny IGSA, Mdahoma Abdou Razatou.

Vonjy A.

Partager sur: