Rivodoza Cheneso… Mbola mitondra rotsak’orana be

Tsy ahina ny hiverenany an-tanety fa kosa hivoatra any amin’ny maherin’ny 100 km miala ny morontsiraka ato anatin’ny telo andro manaraka i Cheneso. Noho izany, mety ho voakasiky ny tafiotra manodidina ny 50 hatramin’ny 80 km isan’ora ireo distrika amin’ny morontsirak’i Menabe sy Atsimo Andrefana, omaly sy anio. Vokany, iangaviana ireto distrika ireto hanamafy ny fiomanana ka hampihatra ny fepetra mikasika ny filazana loza manambana: Belo Tsiribihina, Morondava, Manja, Morombe ary Toliara I-II.

Mety mbola hitoetra ny rotsak’orana (30 ka hatramin’ny 60 mm ao anatin’ny 24 ora) hatramin’ny anio any Melaky, Menabe, Atsimo Atsinanana, Analalava sy Antsohihy. Mitoetra hatrany ny fampitandremana amin’ny fahabetsahan’ny rotsak’orana.

Entanina ny mpampiasa ranomasina amin’ny morontsiraka Avaratra Andrefana, Andrefana, Atsimo Andrefana, Atsimo ary eo anelanelan’i Farafangana sy Taolagnaro mba tsy hiandriaka satria mbola hikorontana ny toetry ny andro.

Omaly maraina, tany amin’ny 148 km andrefana somary avaratra andrefan’i Morondava no nisy ny foiben’i Cheneso. Niakatra ho 110 km isan’ora ny rivotra miaraka aminy arahina tafiotra manodidina ny 155 km isan’ora manakaiky ny foibeny. Tsy nihetsika firy izy tato anatiny 18 ora farany.

Vonjy

Partager sur: