Dwa, Catmouse ary i Rolling Pen no hisolo tena an’i Madagasikara mandritra ny “Festival d’Angoulême”. Hetsika goavana indrindra mahakasika ny tantara an-tsary sy ny sariitatra izy ity, izay miditra amin’ny andiany faha-50, manomboka anio hatramin’ny alahady izao. 4 andro anatin’ny tontolon’ny tantara an-tsary tanteraka, satria hisy fampirantiana, adihevitra, fifaninanana ary rangopohy sy fihaonana amin’ireo mpamorona mandritra izany.
“Ao amin’ny tranohevan’ny Des Bulles dans l’Océan aho no mihaona amin’ireo mpankafy. Hampirantiana ao Angoulême koa ireo sanganasako. Fanindroany amin’ity fa ny voalohany niaraka tamin’ireo mpamorona afrikanina”, hoy i Dwa.
Manana ny hoentiny hampiavaka azy mandritra izany koa i Catmouse James sy i Rolling Pen. Tsy vao izao ihany koa izy ireo no nanandratra sy nitondra avo ny tantara an-tsary ivelan’i Madagasikara.
Marihina fa mahatratra 200.000 any isan-taona ireo liana amin’ny tantara an-tsary, mitsidika sy mandray anjara amin’ny “Festival d’Angoulême”. Aman-jatony ihany koa ireo mpanakanto misolo tena ny fireneny mandritra izany. Ankoatra an’i Madagasikara, maromaro ireo avy ao Maurice sy La Réunion amin’ity, izay efa nisy fiaraha-miasa mialoha izao any Frantsa izao.
Zo ny Aina