Tarazo sarotra ialana… Mbola tsy misy lanjany amin’ny Malagasy ny kantony

Manomboka liana amin’ny zavakantony sy ny kolontsainy ny tanora malagasy. Ekena, saingy mbola misy tranga mandeha ila ao ambadibadika ao rehefa jerena akaiky. Ilay fametrahana ny laharam-pahamehana no toa manalasala be !

 Raha mbola fihinin’olon-tokana na ampahana olona vitsivitsy ny fampivelarana ny zavakanto, sarotra sy mbola ho ela vao hahita fivelarana. Ny fampianarana no haingana indrindra hoenti-mampita ny fahaiza-mifehy ireny zavakanto sy kolontsaina ary fomba amam-panao malagasy ireny. Mbola olana mivandravandra anefa ny tsy fanomezan’ny Malagasy lanja sy vidy ny kantony sy ny kolontsainy. Mianatra mitendry piano, sandaina 30.000 Ar ny ora iray. Tsy mampimenomenona ny Malagasy. Tsy mifanalavitra amin’io ihany koa ny saran’ny mianatra mitendry gitara. Fa raha ny 30.000 Ar isam-bolana ny mianatra fanorona na valiha, « izany ve tsy lafo loatra », hoy ny Malagasy. Vitsy dia vitsy ny ray aman-dreny mahafoy io vola io hianaran-janany kolontsaina sy zavakanto malagasy.

Tsy mahagaga raha hifanahantsahana amin’ny isan’ny vahiny mahay milalao fanorona sy mahay mitendry valiha (lokanga voatavo, jejy voatavo…) ny isan’ny Malagasy mpilalao fanorona sy mpitendry zavamaneno nentin-drazana, atsy ho atsy. Maro amin’ireo vahiny mandalo na ireo manao sary monina eto Madagasikara mantsy no mianatra ny zavakanto sy ny kolontsaina malagasy. Tsy vitsy amin’izy ireny no mpikaroka, hany ka ny vahiny indray no mahatafavoaka boky na sarimihetsika fanadihadiana, sns, ho an’ny kolontsaina sy ny zavakanto malagasy.

Tsy mahagaga raha hisy fiovana miandalana ny fototra mampijoro ny zavakanto sy ny kolontsaina malagasy afaka taona vitsivitsy. Amin’izay fotoana izay indray, vao mainka hihamafy ny fitadiavana ny very !

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: