Valo ny olona maty nandritra ny fandalovan’ny rivodoza Cheneso teto amin’ny Nosy. Telo amin’izy ireo mbola tsy naharenesana vaovao hatreto. Mahatratra 17 ireo tsy hita popoka nandritra izany raha ny tatitra voaray teo anivon’ny BNGRC, omaly. Mahatratra 46 394 ireo traboina manerana ny Nosy. Tsy maintsy nafindra toerana noho ny fiakaran’ny rano sy ny fahasimban’ny trano fonenana ireo olona miisa 20 603. 12 650 tamin’izy ireo ao anatin’ny faritra Analanjirofo. 15 028 kosa ao anatin’ny faritra Sofia. Miisa 5017 ao amin’ny faritra Vatovavy. Notsinjaraina amin’ny toerana samihafa miisa 75 izy ireo. Mahatratra 12 271 ireo tanimbary tondraky ny rano. Miisa 523 ny simba sy potika tanteraka vokatry ny rivodoza Cheneso. Miisa dimy ny tetezana tapaka. Hita tao amin’ny faritra Boeny, Sofia, Analanjirofo, Betsiboka ary Vakinankaratra. Ankoatry izany, miisa dimy ireo lalana efa azo aleha sy niverina tamin’ny laoniny. Raha toa ka miisa 17 ireo mbola tapaka hatram’izao. Manodidina ny 350.000 Ariary ny vola voazara tamin’ireo traboina ao amin’ny faritra Sava sy Boeny. Tolotra avy amin’ireo solontenam-panjakana samihafa.
Mino ( mpianatra asa)