Saron’ny polisy ao Mahanoro afak’omaly ireo efa-dahy voalaza fa saika hanondrana taolam-paty tao an-toerana. Nahazo fanampim-baovao mahakasika ity tranga ity ny mpitandro filaminana. Araka izany, napetraka ny paik’ady rehetra ka namafisina ny fisafoana ny fiara, ny lakana ary ny olona mivezivezy ao an-toerana. Vokany, nahatsikaritra lehilahy miisa efatra nilanja gony nampiahiahy ny polisy. Tsy nisalasala nisava avy hatrany ny mpitandro filaminana ka nikoropaka ireo olon-dratsy. Vaky nandositra ny roa lahy raha voasambotra teo no ho eo ny namany hafa. Ireto farany izay voalaza fa tomponantoka tamin’ny fanondranana taolam-paty. Nahitana taolan-dava iray gony milanja 50 kilao sy tavoahangy misy ody gasy iray teny amin’ireo roa lahy. Araka izany, tsy nijanona hatreo ny famotorana. Nifampitadiavana ireo tafaporitsaka. Nitohy hatramin’ny alina ny fikarohana ka tratra tsy lavitra ny seranan-tsambo tao an-toerana ireo jiolahy tafatsoaka.
Henintsoa H.