Mba mangataka re hividiananay sakafo ! Omeo na dia ariary zato aza hividianana vary ! Izany no ambentin-tenin’ireo ankizy sy ny fianakaviana sahirana eny an-dalambe rehetra eny. Sady mampahonena no mahatonga saina. Mihamaro andro aman’alina ny olona marefo sy tena fadiranovana, ka misafidy ny hitoetra eny an-dalambe rehetra eny. Ny olan’ny trano, tsy asian-dresaka betsaka anio satria na ny olona manana anto-pivelomanana mazava aza izao, mila tsy hahaloa hofan-trano.
Handeha hitafatafa fohy momba ny sakafo isika. Sehatra iray mahabe resaka sy be olana eto Madagasikara. Ambentin-tenin’ny Filoham-pirenena sy ny governemanta hatrany ny maha firenena natao hivelona amin’ny fambolena antsika. Vahaolana iray mahomby sy azo antoka, hamaha ny olana amin’izay hohanin’ny vahoaka malagasy izany. Mijanona ho resaka fotsiny anefa hatreto, fa tsy misy ny tena politika matotra sy asa avy hatrany. Impiry nilaza fa hahavita tena ara-tsakafo isika hatramin’ny taona 1990, araka ny voalazan’ny « Boky mena », nandalo tamin’ny « Madagasikara Plan » na ny Map. Manginy fotsiny ny fisandratana sy ny Velirano.
Amin’izao fotoana izao, anisan’ny vahiny manokana any Dakar, Sénégal, Andriamatoa Rajoelina Andry. Miresaka fambolena ny fivoriana. Mialoha an’io, nandray ny avy eo anivon’ny Fandaharanasa iraisam-pirenena misahana ny sakafo izy, teny Iavoloha. Midika izany fa zava-dehibe tsy azo tsinontsinoavina io sehatra iray io. Tsy ampy anefa ny kivorivory etsy sy eroa. Miandrandra voandalana mafonja ny vahoaka malagasy. Indrindra ny politikam-pirenena hahakasika fambolena. Aiza dia izay zavatra rehetra hohanina, eny hatramin’ny vary izay foto-tsakafo mbola hafarana ny antsika. Toerana anefa midadasika sy lonaka. Ny toetr’andro na efa miovaovabe ihany aza, mbola azo hihoriranana. Misy aza ny faritra mbola afaka mamokatra indroa miantoana anatin’ny taona iray.
Tsy any ivelan’i Madagasikara ny vahaolana momba ny vary sy ny fahavitan-tena ara-tsakafo. Finiavana miainga amin’ny isan-tokantrano sy ny vahoaka malagasy no hany lalana. Biby tsy manan-doha anefa tsy mandeha. Sarotra ihany koa, raha sanatria ny lohany indray no matsatso. Mitaky firotsahana an-tsehatra sy tari-dalana avy amin’ny mpitondra ny zava-drehetra.
r.r