Maro ny lalana tapaka amin’izao fandalovan’ny rivodoza Cheneso izao. Mandeha ny fanarenana ny lalana tapaka any amin’ny lalam-pirenena fahefatra (RN 4), eo amin’ny PK 378 sy ny 434+700. Nanomboka azo andehanan’ny fiara izany, omaly, na dia mbola mamotakabe aza.
Manampy ireo, efa esorina koa ny tany nihotsaka any Ranomafana, RN 25 (PK 35+400) any Vohiparara-Ifanadiana-Irondro-Mananjary, ka manomboka afaka mandeha ny fiara.
Eo am-panamboarana koa ny RN 34 (Antsirabe-Malaimbandy), mirefy 331 km. Mamatsy vola azy ny Banky Iraisam-pirenena, ao anatin’ny Tetikasa fampandrosoana maharitra ny lalana (PDDR) sy ny Asa vonjy taitra (CERC). Ho vitaina ao anatin’ny 8 volana ny asa, ka hatao voalohany ny lalana tena ratsy, mirefy 150 km. Hamboarina ny tetezana sy ny fantson-drano (buses) rehetra. Eo koa ny fanamboarana ny lalana Dabolava-Miandrivazo (50 km), sy ny ampahany amin’ny Miandrivazo-Malaimbandy (111 km). Efa tonga any an-toerana ny milina sy ny fitaovana hiasana.
Tapaka ny fifamoivoizana
Ankoatra ireo, tsy mbola mandeha ny fifamoivoizana any amin’ny RN 45 (Alakamisy Ambohimaha-Vohiparara), satria niakatra ny rano. Toraka izany koa ny ny RN 19 (Katsepy Mahajanga-Soalala) any Tongomena Bevary (PK 56). Tapaka ny fifamoivoizana any amin’ny RN 33 A (mankany Tsaratanana) satria niakatra ny rano. Ny antsasaky ny arabe ihany no azo aleha, eo amin’ny PK 430-100 amin’ny RN 7, fa misy lavakabe.
Tsy afaka andehanan’ny fiara intsony ny RN 23A, eo Moramanga mankany Anosibe An’ala, afa-tsy ny moto sisa, izay tafakatra 100.000 Ar ny saran-dalana.
Njaka A.