Volley-CCCZone 7… Tanjon’ny Bi’As ny ho « Top 4 »

Fandraisana anjara voalohany ho an’ny Bi’As, ivelan’i Madagasikara, ity fiadiana ny amboaran’ny klioba tompondaka, hatao any Maorisy ity, eo amin’ny taranja volley. Neken’ny CAVB mantsy ny fandraisan’izy ireo anjara, izay isaorany ny filoha lefitry ny Federasiona, Ranaivoson Mamy, niady mafy teo anatrehan’ny CAVB. Fifaninanana hotontosaina ny 25 febroary izao hatramin’ny 3 marsa. Manana ny tanjony, araka izany, ny klioba, dia ny hahatafiditra azy ireo ao anatin’ny “Top 4”, araka ny nambaran’ny filohan’ny Bi’As, Rasamison Hajanirina. Hanao ny ezaka rehetra ny klioba mba hahatrarana izany tanjona izany, ka “renforts” miisa efatra, iray avy any amin’ny faritra ary telo avy eto Analamanga, no hantsoina hanatevin-daharana. Hohamafisina  koa ny fanazarantena ka hanokana herinandro iray mialohan’ny hiaingana ny mpanazatra sy ny mpilalao hivondronana miaraka tsy ankiato. Mbola olana amin’izao ny tsy fahampian’ny fotoana satria mbola mianatra sy miasa avokoa ireo mpilalao, ka indraindray tsy azo amin’ny ora hahafahan’izy ireo ny efitrano fikotranana. Etsy ankilany, manana herijika hahazoana vokatra tsara ny Bi’As satria mbola tanora ny ankamaroan’ny mpilalao, izay manodidina ny 22 taona avokoa, misy aza ireo mbola latsaky ny 18 taona.

Miantso ireo malala-tanana

Vola mitentina 100 tapitrisa ariary eo no ilain’ny klioba handehanan’ny delegasiona miisa 16, izay hanainga ny faha-23 febroary izao. Mbola tsy ampy anefa io vola io amin’izao fotoana izao ka miantso ireo malala-tanana vonona hanohana azy ireo, ny filohan’ny Bi’As. Efa nisy ireo namaly ny antso saingy mbola manohy mitady mpanohana hatrany izy ireo.

Mi.Raz

Partager sur: