Vaovao lehibe ho an’ny tontolon’ny mozika malagasy: hanana solontena hifaninana mandritra ny “World Music Trophy” isika. Miandrandra fandresena ry Vakamiarina sy Takasy Hasy.
Tsy mena-mitaha ny mozika malagasy! Mandray anjara amin’reo hetsika goavana maneran-tany momba ny mozika foana ireo mpanakanto malagasy. Fantatra izao fa efa any Las Vegas, Etazonia ny tarika Takasy Hasy sy i Vakamiarina. Izy ireo no hisolo tena an’i Madagasiakara amin’ilay fifaninanana goavana “World Music Trophy”, izay hotontosaina anio hatramin’ny alahady izao.
Maka endrika “festival”, kanefa sady fifaninanana ihany koa ny hetsika. Efa tamin’ny taona 2020 ity “World Music Trophy” iadiana ity, saingy noho ny Covid-19 dia izao vao hotontosaina ny hetsika goavana hampihaonana ireo mpandray anjara rehetra. Raha tsiahivina mantsy, nisokatra ho an’ireo mpanakanto mivoy ny mozika miaina, avy amin’ireo firenen-drehetra ny fifaninanana. Mpanakanto avy amin’ny firenena maro, toa an’i Belgique, Chili, France, Congo, Gabon, Ghana, Haiti, Inde, Indonésie, Mexique, Niger, Phillipines, Sénégal, Afrique du Sud, Sri Lanka, Maroc, sns, no nandefa ny sanganasany hifaninana tany, ka efa nisy ny sivana mialoha nataon’ny mpikarakara tamin’ny taona 2020. Ireo voaantso any Las Vegas kosa no hiatrika ny famaranana, ka anisan’ireo firenena vitsy nahatafiditra solontena roa i Madagasikara.
“Samy haneho ny sanganasany ny Takasy Hasy sy i Vakamiarina, saingy hisy ihany ny hira nomaninay hanehoana an’i Madagasikara sy ny zavakanto malagasy. Efa saika tonga aty daholo ny mpandray anjara miandry ny anjara fiakarany an-tsehatra”, hoy ny nambaran’i Nantenaina Vakamiarina.
Ny mombamomba ireo tarika:
Takasy Hasy: Mivoy mozika misy fototra malagasy ny tarika. Tamin’ny taona 2008 no efa nanomboka niketrika izany i Tah Manana sy i Bosco Rakoto. Efa samy mpihira sy mpitendry zavamaneno isan-karazany izy roa lahy ireo. I Bosco milalao ny kabaosy, valiha, voatavo monta, sns, no sady mpamoron-kira. Mpamoron-kira sy mpihira ihany koa i Tah Manana no mitendry gitara sy mandolin. Mameno ny tarika i Andry, izay mpitendry gitara sy gitara beso no mpamorona sy mihira ihany koa.
2016 no tena nanomboka namondrona izay nokarohiny ireto mpanakanto ireto. I Tah Manana nitondra ny beko avy any Atsimo. I Bosco nampiditra ny antsa avy any Antsihanaka, ankoatra ny fifehezany ny karazana mozika maro. Nanamafy izany i Andry, izay somary nampiditra ny blues sy latina kely…
Ny hevitra voalohany ny hoe “takasy” dia ny beko avy any atsimo: antsa tena soa, miantso fanahy tsara. Ny heviny faharoa kosa dia hoe “tatsinanana” – “kasy” mira “hasina”.
Efa nahatontosa ny fandraisam-peo ny rakikirany voalohany izy ireo, izay kasaina hivoaka amin’ity taona ity. Anisan’ny efa hita sy re anaty tambajotran-tserasera ny “Mila vonjy”, “Omaly”, izay sanganasan’ny tarika.
Vakamiarina: Mpamorona, mpihira sy mpitendry i Nantenaina Andriamorasata na i Vakamiarina. Nanomboka ny taona 2010 no niroso tamin’ny famoronana izay nokarohiny manokana izy, na efa mialoha izany aza no tao anaty mozika. Nianatra sy nandalina mozika, avy eo namola-tena tamin’ny tendry gitara sy ny zavamaneno hafa i Vakamiarina. Vokatr’ireo fitetezam-paritra maro nataony manerana ny Nosy no nandrafitra ny fironany ara-mozika ihany koa. Nihaino sy nanovo aingam-panahy tamin’ireo karazana mozika malagasy maro izy, ary ny fiarahan’ireny tamin’izay nianarany manokana no nanome loko ny mozikan’i Vakamiarina.
Niara-niasa tamina mpanakanto maro, ary nisokatra tamin’ny fironana ara-javakanto maro koa i Vakamiarina. Nanoritra ny lalany izany, ka nahatonga azy ho anisan’ireo mpamorona feon-kiran’ilay mpanakanto amerikanina Beth Ratay tamin’ny taona 2022. Mialoha izany, anisan’ireo nandresy tamin’ny fifaninanana mamoron-kira iraisam-pirenena “Merck Foundation “More than a mother’ Song Awards” ny taona 2021 izy. Manana rakitsary maromaro efa miparitaka any amin’ireo tambajotra fanjifana mozika i Vakamiarina. Efa namoaka rakikira telo, “Misy afo iny”, “Betsimiteny”, ary “Hafahafa be” izy izay azo jifaina.
Nangonin’i Zo ny Aina