AFT Andavamamba… Misokatra ny fisoratana anarana amin’ny fifaninanana mamaky teny

Nisokatra ny alarobia 25 janoary 2023 ary tsy hifarana raha tsy ny 22 febroary 2023, eny amin’ny “Médiathèque de l’Alliance Française d’Antananarivo” ny fisoratana anarana amin’ny  “Championnat de lecture” amin’ity taona 2023 ity. Fifaninanana karakarain’ny Alliance Française d’Antananarivo na AFT, ny famakiana ny teny frantsay no hifaninanana amin’izany. Tsy niova ny hatramin’izay ny fepetra hisivanana ny mpandray anjara. Ho an’ny mihoatra ny 9 taona ny fandraisana anjara ary misokatra ho an’ny rehetra.

Miditra amin’ny andiany fahadimy ny “Championnat de lecture” amin’ity taona ity. Fifaninanana tanterahina manomboka ny 1 marsa hatramin’ny 18 marsa 2023. Ny 1 hatramin’ny 11 marsa no hanaovana ny fifantenana. Ny 18 marsa kosa no hanaovana ny famaranana. Mizara ho sokajy telo ny mpifaninana. Ny sokajy “Junior” sy ny “Ado” ary ny “Adulte”. “Hitsarana ny mpandray anjara ny fomba entiny mamaky teny sy ny kalitaon’ny famakiany teny frantsay. Isan’ny tsaraina ihany koa ny lahatsoratra izay vakiny. Jerena ao anatin’izany ny lafiny famoronana sy ny kalitaony”, hoy ny tompon’andraikitry ny fifaninanana. Tanjona amin’izao fifaninanana izao ny fampiakarana ny lentan’ny fahaizana teny frantsay eto Madagasikara.

Raha tsiahivina, ny  taona 2019 no nanatanterahana ny andiany voalohany tamin’ny “Championnat de lecture”. Miezaka hatrany ny tompon’andraikitra mampiakatra ny lentan’ny fifaninanana sy manatsara isaky ny andiany. Antenaina, araka izany, ny haha avo lenta ity fifaninanana andiany fahadimy ity.

Lin (Mpianatra asa)

Partager sur: