Andiany fahatelo… Hatao ny 5, 6, 7 mey izao

Fantatra ny daty ofisialy, hanatanterahana ny hetsika Sesam (Sports Extrêmes et Salon des Arts Martiaux), andiany fahatelo, izay hatao ao amin’ny lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, ny 5, 6 ary 7 mey ho avy izao. Nambaran’ny mpikarakara fa efa eo an-dalam-panomanana tanteraka ity hetsika ity izy ireo ary seho miavaka no haseho mandritra ny telo andro. Hahitana fitomboana ny mpandray anjara, raha oharina ny tamin’ny andiany farany ary nampirisihana hampiseho zavatra miavaka mahakasika ny taranja tiany hampahafantarina mba hahatrarana ny tanjon’ny Sesam dia ny hitaiza ny tanora. Hiavaka, araka izany, ity andiany fahatelo ity, na eo amin’ny lafiny fikarakarana izany, na ihany koa ny fifaninanana sy fanomezana hatolotra ho an’ireo mpampiranty ho avy eny an-toerana. Tsy misy fiovana kosa ireo daty hafa efa tapaka mialohan’ny hetsika.

Mi.Raz

Partager sur: