Notontosaina ny alakamisy 26 janoary 2023, teny amin’ny Hakanto Contemporary Ankadimbahoaka, ny fampahafantarana tamin’ny fomba ofisialy ireo mpandresy nandritra ny fifaninanana “Demain sera mien” andiany faharoa. Ny tanora no tena nokendrena tao anatin’ny fifaninanana. Tanjon’ny mpikarakara tamin’izany ny hamoha ny talenta any anatin’ny tanora tsirairay avy any. Hisy ny fanohanana sy fanampiana ireto voafidy mendrika ireto ao anatin’ny famoronana sy ny famokarana ary ny fiofanana.
Zavakanto samihafa nefa samy manana ny mampiavaka azy avokoa no voafidy tao anatin’ny fifaninanana “Demain sera mien” andiany faharoa. Niisa 6 izy ireo no voafidy tao anatin’ny mpifaninana 40 avy amin’ny lafivalon’ny Nosy. Voafidy tao anatin’izany ny tetikasa “I am a woman of color ” an’i Volana Raveloson na i Ms V. Ny “Ireto maso mijery ahy, mibanjina anao mampitamberina” an’i Fitia Randriamifidy, na i Sanka. Ny “Tsarasaotra” an’i Rose Kely Ranarivelo. Ny “Saribakoly vorodamba” an’i Richianny Ratovo. Ny “L’urgence de la foi” an’i Andy Rasoloharivony ary ny “Iray lalana” an’i Fitiavana Ratovo. Tsy mitovy avokoa ireo tetikasa ireo. Misy ny horonantsary fohy, ny sary, ny sary mivaingana, ny karazana hosodoko sns. Ny nitambaran’ny rehetra fotsiny dia ny fiaingana amin’ny zava-misy iainan’ny olona andavanandro.
Tany am-pamolavolana ny fifaninanana no efa nahataratra ny ho fahasamihafana hisy ny mpikarakara. Natao, araka izany, ny fifaninanana hivoahan’ny talenta sy ny famoronana isaky ny karazany avy, ao anatin’ny “Arts visuels”.
Lin (Mpianatra asa)