Base Toliara… Mitaky ny mangarahara ny tanora manam-pahaizana

Anisan’ny naneho hevitra mikasika ny tetikasa Base Toliara ny fikambanan’ny tanora manam-pahaizana, « Jeune cadre de Toliara » (JCT). Nilaza ny filoha lefiny, Zafera Ulrich, omaly, fa « tsy manakana ny hanokafana indray ny orinasa Base Toliara izahay, satria, tanjona ny hisian’ny fampandrosoana any Toliara sy ny faritra Atsimo Andrefana. Iaraha-mahalala fa mandalo fotoan-tsarotra ny vahoaka any an-toerana ».

Nohazavainy fa maro ny otrikarena any Toliara. Isan’izany ny any Menabe, manana ny harena an-dranomasina, ny harena an-kibon’ny tany, ny fambolena, sns. Tsy latsak’izany anefa ny any Atsimo Andrefana, ary ao anatin’izany ny fasimainty any Ranobe, izay tokony hotrandrahin’ny Base Toliara. « Takinay ny hisian’ny fitantanana mazava ataon’ity orinasa ity. Toy ny drafitra amin’ny lafiny tontolo iainana sy ny sosialy ary ny kolontsaina », hoy ihany izy.

Tena mipaka any ifotony ve ?

Notsipihin’ny filoha lefitry ny manam-pahaizana any Toliara koa ny hijeren’izy ireo akaiky ny tena fiantraikan’ny tombontsoa any amin’ny vahoaka sy ny vondrom-paritra itsinjaram-pahefana (CTD), toy ny fokontany, ny kaominina, ny faritra. « Hoe, tena mipaka any ifotony tokoa ve ny tombontsoa aterak’ity tetikasa ity ary misitraka izany ve ny mponina rehetra tsy ankanavaka ».

Njaka A.

Partager sur: