Akaiky ny fifidianana. Hifarana amin’ny 31 janoary izao ny fisoratana anarana ao anaty lisi-pifidianana manerana ny Nosy. “Nentanina ho tonga hifidy sy hanoratra anarana ao anaty lisi-pifidianana ireo olona manana fahasembanana satria olom-pirenena izy ireny”, hoy ny filohan’ny Afham (fikambanan’ny Vehivavy manana fahasembana eto Madagasikara), Razafinjato Fela. Maro ny olana mianjady amin’izy ireny eto amin’ny Nosy manoloana ny fifidianana. Anisan’izany ny hasarotan’ny lalana andehanana, ny tsy fahampian’ny rantsam-batany hanatanteraka ny fifidianana ary ny tsy fahampian’ny fotodrafitrasa ho azy ireo. Ankoatra izay, misy ny tsy mahazo kara-pifidianana nefa ao anaty lisitra amin’izy ireny. Manoloana izany, nosantarina teny amin’ny boriborintany faharoa sy fahefatra ny fanentanana ireo olona manana fahasembanana, nataon’ny fikambanana Afham, afakomaly. Hisy fanentanana avokoa ireo boriborintany enina eto Antananarivo Renivohitra. Olona sembana mihoatra ny 18 taona no tiliana mandritra ny hetsika. “Noho ny fahatsapana fa vitsy ireo sembana tonga manatanteraka ny fifidianana hatramin’izay ny anton’ny hetsika”, hoy hatrany ny fanazavana. Marihina fa fiaraha-miasa eo amin’ny Ceni sy ny Afham ity hetsika ity, mba hampirisihana ireo olona manana fahasembana hifidy. Nampitondraina ny lohahevitra hoe : “ Andao hifidy” izany. Hoentina eny anivon’ny tompon’andraiki-panjakana sy ny Ceni ireo fitarainana voaray tamin’ireo olona manana fahasembanana nandritra ny hetsika. Mba hitadiavana vahaolana mifandraika amin’ny olana mianjady amin’izy ireo.
Mino ( mpianatra asa)