Andro iray sisa dia hiatrika lalao ampahefa-dalan’ny “Chan 2022” ny Barea. Horaisin’ny fitondram-panjakana an-tanana ny saran’ny “Visa” ho an’ireo mpanohana malagasy. Natao ho an’ireo Malagasy any ivelany, maniry ny ho any Algérie.
Hotanterahina rahampitso ny lalao ampahefa-dalan’ny “Chan 2022”, hihaonan’ny Barean’ i Madagasikara sy i Mozambika. Manoloana izany, ho fanohanana ny ekipam-pirenena, horaisin’ny f anjakana an-tanana ny fanomezana Visa maimaim-poana ireo Malagasy monina any ivelany ho any Algérie hanohana ny Barea. Isan’izany ireo Malagasy monina any Frantsa, Allemagne, Espagne, sns. Tontosa izany noho ny ezaky ny fanjakana malagasy tarihin’ny filoha Rajoelina Andry amin’ny alalan’ny masoivohon’i Madagasikana any Frantsa nifampiraharaha tamin’ny firenena alzerianina. Navoakan’ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF) tao anaty tambajotran-tseraserany izany vaovao izany, omaly. Voavalin’ny filoham-pirenena malagasy, araka izany, ny hetahetan’ny mpankafy Barea taorian’ny fangatahana nataon’izy ireo tao anaty “Facebook”, ny talata lasa teo.
Mety ho mora ho an’ny Barea ny hiakatra amin’ny dingana manaraka. Ao amin’ilay kianja mahazatra ny Barea, ao Constantine, no hanaovana ny lalaon’ny roa tonta ka mety ho tombony ho an-ry Tsiry sy Koloina tohanan’ireo namany izany. Asabotsy mifankahita !
Mpamono baolina betsaka indridra
Ahitana Malagasy roa ny ao anatin’ny lisitr’ireo mpilalao nampiditra baolina betsaka indrindra. Isan’izany i Toky Randriantsiferana (Tsiry Kely) sy i Koloina Razafindranaivo (Rakoul KR7). Izy mirahalahy izay nampiditra baolina roa nandritra ity fifaninanana Chan 2022 ity. Fanamby goavana ny miandry azy mirahalahy. Mbola andrandrain’ny vahoaka malagasy hamono baolina amin’ny fihaonan’ny Barea sy Mozambika izy roa lahy, ny asabotsy ho avy izao.
Hoy izy ireo :
Datsiry, vodilaharan’ny Barea : “ Salama tsara ny tenako, ary tsy misy atahorana ny ratra mahazo ahy satria efa manao fanazarantena sy manaraka fitsaboana ara-dalàna ny tenako amin izao fotoana izao. Manana fanantenana hiakarana amin’ny lalao manasa-dalana isika malagasy. Mampiavaka ny Barea Chan 2022, ny fifankatiavana sy fahaizanay miaraka. Alefa Barea”.
Rojobe, laharana faha-6 : “Anisan’ireo mpilalao efa tranainy ato amin’ny Barea Chan ny tenako. Tombony ho an’ny Barea ny fiomanana nandritra ny fotoana maro tany Madagasikara ary hita taratra amin’ny vokatra izany. Mbola misy hatrany ny lesoka, koa raha samy mahay maka lesona ny mpilalao sy ny “ Staff” nandritra izay lalao rehetra vita izay, hihatsara hatrany ny vokatra. Ilainay ny fanohananareo ka mangataka antsika rehetra mba hanohana ny Barea. Alefa Barea”.
Fitia (Mpianatra asa)