“Vonona hatrany izahay ny hanohana an’i Madagasikara eo amin’ny lafiny fiarovana an-dranomasina, ny fampianarana, ny fahasalamana, ny fizahantany ary ny teknolojia, toy ny fiaraha-miasa rehetra efa nisy hatramin’izay”, hoy ny masoivohon’ny Repoblika Indianina miasa sy monina eto Madagasikara, Bandaru Wilsonbabu. Nandritra ny fankalazana ny faha 74 taonan’ny fetim-pirenena indianina no nilazany izany. Nanome voninahitra ny lanonana ny minisitry ny Raharaham-bahiny mpisolo toerana, ny Jly Rakotonirina Richard izay nanamafy fa efa 62 taona no nisian’ny fiaraha-miasa ara-diplomatika teo amin’i Madagasikara sy i Inde. “Momba ny fiaraha-miasa ara-tafika, teo hatrany ny firenena indianina nanohana ara-pitaovana sy nitondra ny fahaiza-manao ho an’ny Tafika Malagasy”, hoy hatrany izy. Nambarany koa fa nisy ny fifanakalozana ara-ekonomika sy ara-barotra indrindra ny lafiny kolontsaina. Teo ny fanohanana nataon’i Inde ho an’ireo mpianatra malagasy tamin’ny alalan’ny fanomezana vatsim-pianarana sy ny fanofanana nifototra tamin’ny “programme de cooperation technique et économique indien” sy ny “Indian council for cultural relations” (ICCR). Nanao antso hatrany ny fanjakana malagasy mba hitohizan’ny fiaraha-miasa eo amin’i Madagasikara sy i Inde mba hahatrarana ny tanjona napetraky ny fitondram-panjakana.
Jean Claude