Niatrika ireo mpitsara mpanao famotorana, omaly, ilay teratany nizerianina voasambotra teny Mandrosoa Ivato, ny talata teo. Heloka nanenjehana azy ny resaka varotra rongony mahery vaika «cocaïne ». Nahitana ity zava-mahadomelina ity tokoa teny aminy. Nilanja 3,47g izany niaraka tamina “cristal métamphétamine” milanja 4,03g. Tamin’io fotoana io, nampiahiahy ny fihetsik’ity lehilahy ity ka nahatonga ny polisy nisambotra azy. Vokany, noentina nihazo ny birao izy ka natao famotorana. Fantatra fa nikasa hivarotra ireo rongony ireo ny tenany. Voamarina rahateo izany tamin’ny alalan’ny antso voarainy. Taorian’io, niaiky ny zava-bitany ity teratany nizerianina ity. Nilaza koa izy fa saika hamidy 80.000Ar ny iray grama tamin’ireo zava-mahadomelina ireo. Ankoatra ity, vehivavy iray hafa koa voasambotra tetsy Ambanidia, omaly. Tratra ambodiomby nivarotra izany izy ka noentina teny amin’ny kaomisaria. Hita nandritra ny fisavana azy ny fonosana rongony 15 isa sy rarany iray fonosana.
Vao nivoaka ny fonja
Saron’ny polisy afakomaly teny Morarano-Androndra koa ny enin-dahy nitsindrona sy nivarotra zava-mahadomelina mahery vaika. Vao nivoaka ny fonja tamin’ny fifohana “heroïne” ny iray ka izao tratra izao indray. Tsikaritry ny mpitandro filaminana ny toerana fifohana rongony misy an’ireo andian-dehilahy. Vokany, nidina teny an-toerana ny polisy nijery ilay toerana voalaza. Tratra ambodiomby ny efa-dahy niaraka tamin’ny fitaovana fampiasany. Nandritra ny fanadihadiana, niaiky ny zava-bitany ny telo lahy. Etsy ankilany, nitohy ny famotorana. Ny andron’io ihany, tra-tehaka teny Ambohimanatrika-Tanjombato, ny roa lahy mpamatsy ireo “heroïne”. Mbola nahitana rongony mahery vaika milanja 1,94g rahateo tao amin’ny trano fonenan’izy roa lahy. Fantatra moa fa irakiraka ny iray amin’izy ireo raha mpamongady kosa ilay namany. Nilaza ny polisy fa hamidin’ireto andian-dehilahy ireto 5.000Ar na 10.000Ar ny fonosana iray ka mahavita 30 fonosana ny iray grama amin’izany. Olon-kafa kosa no fangalanan’ireo entana. Nohamafisin’ny polisim-pirenena fa tsy manome raha tsy olona fantany na mahafantatra azy ilay irakiraka. Niakatra fampanoavana omaly koa ity raharaha ity.
Henintsoa Hani