Lalao manasa-dalana – « Open d’Australie »… Hifandona  i Novak Djokovic sy i Tommy Paul 

Hotanterahina anio ny lalao manasa-dalan’ny fifaninanana taranja tenisy “Grand Chelem Open d’Australie”. Anisan’ny lalao tena andrasan’ny maro ny fihaonan’ i Novak Djokovic, mpilalao serba sy i Tommy Paul, mpilalao amerikanina. Lalao izay atao ao amin’ny kianjan’i Rod Laver Arena.

Manana herijika amin’ny fandresena i Djokovic. Nandavo an’i Andrey Rublev, mpilalao rosianina, tamin’ny seta 3 no ho 0 (6/1, 6/2, 6/4), izy ny alarobia lasa teo, teo amin’ny ampahefa-dalana, tao amin’ny kianjan’i Rod Laver Arena ihany.

Misongadina tanteraka i Djokovic nandritra izay lalao rehetra nataony tamin’ity fifaninanana ity. Tsiahivina fa tsy afaka nandray anjara ny tenany ny taona lasa teo, noho ny tsy fanekeny hanao vaksiny Covid-19. Fanamby goavana ny miandry an’i Djokovic, mety  hiakatra 22 ny isan’ireo amboara “Grand Chelem” azony. Marihina fa ilay mpilalao espaniola, Rafael Nadal ihany no efa nahazo in-22 izany.

Ankoatra izay, vinavinain’ny olona hihaona eo amin’ny lalao famaranan’ny “Open d’Australie” i Stefano Tsitsipas, laharana faha-4 sy i Djokovic laharana faha-5 amin’ny filaharan’ny ATP.          .

 

Fitia ( Mpianatra asa )

Partager sur: