Nanomboka omaly maraina, mihatra eto amin’ny lemak’Antananarivo ny filazana miloko mavo, indrindra ho an’ireo manamorona ny reniranon’i Sisaony. Miakatra tsikelikely ny rano vokatry ny rotsak’orana nisesy.
Voakasiky ny filazana ny kaominina valo manodidina. Anisan’izany ny kaominin’i Tsiafahy, Androhibe Antsahadinta, Bongatsara, Antanetikely Ambohijoky, Alatsinainy Ambazaha, Ampahitrosy, Soalandy, Ampanefy, Soavina, Anosizato Andrefana, Ampitatafika, Ambavahaditokana, Fenoarivo, Itaosy, Ambohitrimanjaka, Fiadanana ary Ampangabe.
Mahatratra 2,68 ny haavon’ny reniranon’i Sisaony eo amin’ny mari-drefin’Ampitatafika. Efa nioharana ny refy milaza ny loza manambana. Midina tsikelikely anefa ny rano ao anatin’ny 12 ora. Any amin’ny 3,50 m kosa ny refy filazana loza mitatao miloko mena.
Ho an’ny reniranon’Ikopa 2,37m ny haavon’ny rano eo amin’ny mari-drefin’Ambohimanambola. Hidina hatrany anefa ny rano raha ny fanazavan’ny Apipa. 1,17 m kosa ny ranon’Ikopa eo amin’ny mari-drefin’Anosizato. Hidina tsikelikely ihany koa izany ao anatin’ny 12 ora manaraka.
3,86m kosa ny haavon’Ikopa eo amin’ny mari-drefin’i Bevomanga. Hiakatra hatrany ny rano ao anatin’ny 12 ora manaraka. 4m ny refy filazana loza manambana miloko mavo eo Bevomanga.
Ho an’ny reniranon’Imamba eo amin’ny mari-drefin’Ambohidroa kosa, nidina ny rano tao anatin’ny 24 ora.
Tatiana A