Tafita hiatrika ny lalao manasa-dalana “Mondial Handball 2023” lehilahy i Frantsa. Araka izany, hanala vela amin’i Soeda izy ireo anio, any Stockholm. Raha hiverenana ny lalao ampahefa-dalana, lavon’ny Les Bleus tamin’ny isa 35 no ho 28 i Alemaina. Fihaonana izay natao tany Pologne, ny alarobia lasa teo. I Soeda kosa nandavo an’i Egypta tamin’ny isa tery 26 no ho 22, ny alarobia lasa teo ihany.
Tsiahivina fa efa resin’i Soeda teo amin’ny lalao manasa-dalana “Euro Handball 2022” lehilahy i Frantsa, tamin’ny isa 33 no ho 34. Hiezaka hitazona ny vokatra tsara nandritra ireo lalao nataony tamin’ity fifaninanana ity i Frantsa. Tsy mbola resy mihitsy ary tsy mbola nanao ady sahala ry zareo hatreto.
Marihina fa andiany faha-15 ity fifaninanana “Mondial Hand” atao ity, ary indroa ihany i Frantsa no tsy nanao lalao manasa-dalana na tsy tafiditra tao anaty “carré”. “Hiezaka hanome ny tsara izahay, ary nofy ratsy ho anay ny nandavoan’izy ireo anay tamin’ny Euro 2022”, hoy i Ludovic Fabregas, mpilalao sangany ao amin’ny Les Bleus.
Fitia (Mpianatra asa )