Mamo avy nikarama izy mirahalahy. Noleran’ny zokiny antsy teo amin’ny tratrany ny zandriny. Tsy tanana ny aina, raha hamonjy hopitaly. Nosamborina ilay nahavanon-doza.
Niafara tamin’ny fahafatesan’ny zandriny ny adin’ireo mpirahalahy tao amin’ny fokontany Andranolava, kaominina ambanivohitr’Antsabotsy, distrikan’i Lalangina, afakomaly. Notsatohan’ny zokiny antsy teo amin’ny tratrany ilay zandriny. Nialana nenina, nentina namonjy hopitaly izy, kanefa tsy tana ny ainy. Rehefa nahazo filazana ny zandary, nidina ifotony niaraka tamin’ny dokotera. Nohamafisin’ny tatitra avy amin’ny loharanom-baovao any an-toerana, fa niasa tao Antandrokosy, kaominina Ambalakely izy roa lahy.
Nanome toaka azy roa lahy ny mpampiasa azy rehefa vita ny asa. Mamo vokatr’izany ilay zokiny. Teny an-dalana hody, niady izy mirahalahy. Tsy fantatra mazava anefa izay antony , araka ny tatitra nataon’ny mpanao fanadihadiana.
Nosamborin’ny zandary avy hatrany ilay nahavanon-doza, rehefa vita ny fombafomba tamin’ny razana. Notanana vonjimaika ao amin’ny biraon’ny zandary ity nahavanon-doza. Niaiky ny heloka vitany izy nandritra ny famotorana savaranonando.
Taorian’ny fitsirihana nataon’ny dokotera sy ny zandary, nomena ny havany ny razana. Andrasana, araka izany, ny tohin’ity raharaha ity. Mandeha ny fanadihadiana.
Jean Claude