Orinasa mendrika… Voalohany amin’ny sokajy RSE ny Star

Natolotra, ny alarobia teo, ny amboara ho an’ny orinasa mendrika tamin’ny taona 2022, karakarain’ny Memento. Voalohany tamin’ny sokajy Andraikitry ny orinasa amin’ny asa sosialy (RSE), ny Star.

Fanasokajiana nokarakarain’ny Memento, hampilaharana ny orinasa mendrika indrindra sy nijoro tao anatin’ny vanim-potoan’ny krizy ara-pahasalamana sy toekarena ny taona 2021 sy 2022. Anisan’ny mpitsara ny FTHM, ka misy sokajy dimy, ny fitantanam-bola, ny fitantanana ny mpiasa, ny varotra, ny fanaovana asa sosialy (RSE) ary ny fanavaozana. Ary izao voalohany amin’ny RSE izao ny orinasa Star.

1 miliara Ar isan-taona                  

Mifototra amin’ny paikady sy drafitrasa mazava ny RSE an’ity orinasa ity. Atao anatin’ny mangarahara, mifantoka amin’ny lafiny tontolo iainana sy ny ho an’ny mpiara-monina. Manodidina ny 1 miliara Ar isan-taona ny tetibola atokan’ny Star amin’ireo. Mifanandrify amin’ny Tanjon’ny fandrosoana lovain-jafy (ODD), mba hipaka mivantana amin’ny andavanandron’ny mponina.

Nilaza Rtoa Randriambolamanana Seheno, talen’ny Serasera Star, fa « hotohizana sady hohamafisina ny hetsika sosialy ho an’ny tontolo iainana, ny fanampiana ny mpianatra avy amin’ny fianakaviana sahirana ary ny reny sy ny zaza amin’ity taona 2023 ity. Taona hankalazana ny faha-70 taonan’ny orinasa ».

Njaka A.

Partager sur: